PIERROT MEN
FOFON'AINA
WINDS OF LIFE . VENTS DE VIE
04.07.2026 - 14.02.2027

©Pierrot Men . Les Veines . Fianarantsoa . 2002
Tonon-taona fahefatra
Fampirantiana natokana ho an’i Pierrot Men
Narindran’i Joël Andrianomearisoa
sy Rina Ralay Ranaivo
Pierrot Men
Mandalo ny fotoana, levona ao anatin’ny halonin’izao tontolo izao ny akora rehetra, miova ny tse-po ary voarapaky ny zava-misy ny andavanandro.
Ao anatin’izany rehetra izany dia tsy ho dify na rahoviana na rahoviana ny olona — ny olombelona, izay ivo sy mariky ny fisiana, mariky ny lahatra, mariky ny andro mifanesy sy ny tantarantsika.
Indro i Pierrot Men.
Banjinina hatrany ambadiky ny sariny sy ny sangan’asany.
Pierrot Men sy ny fofon’aina.
Pierrot tanteraka sy ho mandrakizay.
Afo mandoro ny fo.
Aina tsy misy fetra — Afo - Feu - Fire - Fo - Cœur - Heart - Aina - Vie - Life.
Fofon’aina - Vents de vie - Winds of Life. Pierrot Men.
Tsy hay ferana anaty endrika iray ity fampirantiana ity. Fa mampiseho ny ankapoben’ny asa famoronana izay nataony nandritra izay taona maro lasa izay, ary manambara ny lalam-piainana izay nolalovany, ny zara sy ny lahatra. Mamboraka ny fo miredareda an’i Pierrot Men, lehilahy malagasy, tsy manam-paharoa, izay mifamatotra amin’ity tany ity sy amin’izao tontolo izao, tsy hain’ny fotoana gejaina.
FOFON’AINA dia azo lazaina fa fampirantiana jeritodika voalohany natokana ho an’i Pierrot, saingy tsy fanomezam-boninahitra ihany no antom-pisian’izy ity. Fa miainga avy amin’ny fanirian’ireo mpiarabelona sy mpiray tanindrazana aminy haneho ny fitiavany azy sy ho fankalazana azy, mpanakanto andrarezin’ny kanto malagasy, lalim-paka ao amin’ny fiainantsika.
Il est question de photographie, mais pas seulement. L’image dépasse le cadre avec excès, à l’image de l’homme. Pierrot Men, un homme de la vie et de toutes ses vies. Un séducteur de notre temps moderne. Pierrot Men, un auteur d’émotion. Un artiste qui habite le monde d’une manière profondément singulière, à la fois simple et humble. Pierrot, l’être cher. Pierrot, l’ami.
Sary, saripika no resahina eto, ary mihoatra lavitra an’izay. Mihoa-pefy ny sary, tsy hay faritana ilay mpanakanto. Pierrot Men, azy ity fiainana ity sy ny fiainana rehetra. Olomangan’ny ankehitriny. Pierrot Men, mpandrary fihetseham-po. Mpanakanto mamihina an’izao tontolo izao amin’ny fomba isafatsiroa, ampahatsorana, tsy misy eboebo. Pierrot, ilay malala, Pierrot, ilay namana.
Notandremana manokana noho izany ny famolavolana an’ity fampirantiana ity mba haneho araka ny tokony ho izy ny mampiavaka an’izay lalana nodiaviny izay. Mba hampiseho ireo fotoana sarobidy izay mandrafitra ny fomba fijery mampiavaka ny mpanakanto iray. Izany dia mba hifanaraka amin’i Pierrot Men tanteraka. Hifanaraka amin’ny maha-izy azy sy ny anjara toerany eo amin’ny tontolon’ny kanto malagasy. Ary novolavolaina ihany koa mba hampisehoana fomba fijery vaovao amin’ny asa famoronany sy ny sangan’asany.
FOFON’AINA, fampirantiana miventy ny tsy hita maso kanefa mavesa-danja. Fofon’aina mamakivaky ny fiainana, ny tontolo, ny faravodilanitra, ny fandinihana sy ny tsiaro. Fofon’aina mamakivaky ny taona, ny tany sy ireo sary. Tsy aranty fotsiny ny sary, fa miaina. Ao anatin’ny asa famoronan’i Pierrot Men dia mihoatra lavitra noho ny endriny ivelany ny hevitra ventesin’ny sary, izay mandrakitra ny dian-tanan’ny olombelona, ny soatoaviny, ny takaitra sy ireo fahanginana.
Fotoanan’ny fanokanana sy ny fanadinoana rehetra.
Avondrona indray ny omaly sy ny rahampitso.
Resaka maro sy fotoana samihafa no mifanjohy eto amin’i FOFON’AINA.
Velarina ao anatin’ny sary mihoatra ny telon-jato ny ankehitrinin’i Pierrot Men. Sary manan-tantara sy an’ny tantara, sangan’asa mbola tsy naranty hatrizay, angona miavaka, vakom-pahatsiarovana mandrafitra ny fomba fijerin’ilay mpanakanto.
Mialohan’izany rehetra izany, mialohan’ny ankehitriny mifanako amin’ny lasa, dia misy habaka roa misokatra eo amin’ny tsiambaratelon’ilay mpanakanto, mampiseho azy sy ny ankohonany, ireo mpiara-dia aminy, ireo fandreseny sy ireo ratrany. Eo ihany koa ireo fandinihany sy ny antanan-tohatra nolalovany namolavolany ny sangan’asany, izay lasa vakoky ny ankehitriny.
Ato anatin’ity toko iray ity dia misy habaka iray mampiseho ireo hosodokon’i Pierrot Men. Manamarika ireo sento sy hetsi-po voalohany. Fiandohana nefa mavesa-danja ny hosodoko ho azy, satria santatra ambavaranon’ireo andro nahombiazany tamin’ny fakana sary. Dingana voalohan’ny fisondrotany.
Sary mihetsika no fijanonan-tsoratra. Sary mihetsika novokarina manokana ho an’ity fampirantiana ity, izay mampifanandrina ny voahary tsy miaina sy ny fisarahana. Sambany no mandray ny sary mihetsika i Pierrot Men. Iresahany an’izao tontolo izao, ny rahampitso, ny hoaviny.
Sary — tantara sy olombelona
Misampana amina lafi-potoana roa ny asan’i Pierrot Men. Etsy an-daniny ny saripika enti-maneho ny faniriana mandodona hijoroana ho mpanatri-maso. Etsy an-kilany ireo sary mirakitra ny riorio mitamberina, ka zary lasa fahazarana sy famantarana ny toerana sy ny olona. Hany ka lasa mahafaritra saritany vaovaon’ny afovoantany sy ireo faritra maro hafa izay miompana amin’ny fahatsapana. Asa mandrafitra tsiaro, sady lalim-paka no vinavina. Tsiaro miainga avy amin’ny zava-misy marina, eo amin’ny fisian’ny olombelona sy ny fiovana misoko mangina ny tontolo manodidina.
Maneho hevitra mihoatra lavitra noho ny endriky ny tany sy ny tontolo ary ny endri-piainana izay aseho ny saripika novokariny. Satria miangaly ny tantaran’ireo lehilahy amam-behivavy manome aina azy ireo, ny hafaliana, ny toloko, ny samboaravoara, ny fanantenana ary ny fomba fiainan’izy ireo mihitsy.
Manasa antsika handinika indray lafi-piainana hafa, izay lavitry ny rotoroton’ny anio sy ny ankehitriny, ary mampatsiahy antsika ny hasarobidin’ireo andavanandro.
Na an-tanan-dehibe na any ambanivohitra dia alain’i Pierrot Men sary avokoa ny tsena, ny làlana, ny korana sy fankalazana, ny fotoam-piasana na fialan-tsasatra. Habaribariny ny fianjaikan’ny lehilahy, ny vehivavy sy ny ankizy, asehony ny fahatanorana, ny nofiny, ny tebitebiny ary ny hetahetam-pahalalahana ventesiny. Manambara amintsika ny andro sy ny alina izy, ny lanonana sy ny fiainana manirery.
Tsapa ao anatin’ny asany ny fahanginana manirery, mazàna omban’ny zavona na tontolo somambisamby. Eo ihany koa ny fitodihany manokana amin’ireo tao-trano: ny trano andalam-pamitana, ny fitanehana biriky tanimanga, ny tanimbary, ny rafi-trano lehibe, ny trano fiangonana sy ny tempoly. Mariky ny fanirian’ny olombelona hanangana, hivelatra, hanompo sy hampandova.
Ankilan’ny fanamboaran’ny olombelona, mampahatsiahy ny tontolo miaina miavaka i Pierrot Men. Ny tendrombohitra, ny rahona sy ireo tany midadasika dia mitana anjara toerana fototra anatin’ny sangan’asany. Zary tilikambon’ny tontolo ka manasa antsika hijery mihoatra ny fiainantsika.
Hita taratra ao anatin’ny asany miompana amin’ireo mponin’i Soatanana izany fanomezan-danja ny maha-olona izany ary maneho ny fahamendrehan’izy ireo tanteraka. Toerana izay fanta-daza noho izy mifototra amin’ny ara-panahy sy ireo fotoam-pivondronana lehibe. Manasongadina ny herin’ny fiombonana, ny lanjan’ny finoana sy ny fotoam-pivavahana eo amin’ny fiaraha-monina.
Mifantoka manokana amin’ny bekotromaroholatry ny tantara i Pierrot Men ao anatin’ny andian-tsary izay nataony mikasika ireo mpitolona nandritran’ny tranga 1947. Raiketiny am-pahatsorana sy am-panajana anaty sary ireo olona voamariky ny tolona, ny fotoana sy ny tadidy. Hadihadiany ny fampitana izany tadidy mavesa-danja izany ary manao poa-tsatroka ihany koa amin’ireo akanga sisa nanamborana.
Ho tsipi-panohizana amin’izao tontolo voarakitra an-tsary tsy tambo isaina izao dia zava-dehibe ny fandinihina ny afo anaty namelombelona azy: ny faniriana ho lasa mpanakanto. Tsy faniriana ho henin-kaja eo anivon’ny fiarahamonina fa fomba iray enti-miaina sy enti-miatrika. Mbola tanora izy dia efa tsy nihemotra fa nanohitra ireo sakana, ny tebiteby, ny tsy fankasitrahan’ny rainy. Tsy nilavo lefona fa nikiry, nentanin’ny teny nomeny ny reniny: manatratra ny tanjona ho tonga amin’ny toerana tokony hisy azy. Hita soritra ao anatin’ny asany rehetra izany teny nomeny izany.
Tsy afa-misaraka amin’ny loko mainty sy fotsy ny sangan’asany, kirakirainy toy ny akora ny aloka, ny hazavana ary ny fahanginana. Isan’ireo nandray ny fakan-tsary argentique ho fomba fiainana kanto izy fa tsy ho soritry ny kanto fotsiny akory. Rehefa nanosika azy hampiasa fakan-tsary nomerika ny tsindry ekenomika dia tsy ny traikefa ihany no niova fa voakasika hatramin’ny fijery ny manodidina sy ny fanoritsoritana ny tontolo.
Tsy hadinoina ny fipoiran’ny loko. Raha noalavitina izany teo aloha , tahaka ny tsiambaratelo saropady. Tahaka ny tsiaron’ny voaloham-pitia: ny hoso-doko. Ho an’i Pierrot Men dia voan-dalana avy lavitra ny loko, loko maro, vonto fahatsiarovana, toa avy amin’ny zorom-piainany tsy mbola nozarainy.
Nofy mamy
Andanin’ny fankalazana ny asany sy ny anjara toerana lehibe misy azy izay ankehitriny amin’ny tantaran’ny pikasary eto Afrika sy mihoatra izany, mbola mijoro hatrany ilay mpanao hoso-doko niala ny tranon-drainy, niatrika ny hanoanana. Niaina ny mafaitra mba hiaina sy hamelona ilay afo anaty. Mbola mijoro ilay raim-pianakaviana nisafidy ny pikasary hanefana ny adidy aman’andraikitra. Hotsaroana manoloana izany ny finiavana manokana hanatanterahana ny nofinofiny sady tsy manary ny hamaminy.
Ny fampirantiana FOFON’AINA dia mampatsiahy ankehitriny fa ny sangan’asan’i Pierrot Men dia tsy nateraky ny rivo-java-kanto na fironana entanin’ny kanto fa novolavolain’ny fomba fiaina manoloana ny tontolo. Ireo sary tena manan-danja dia ireo izay miaina, tsy sasatra mamakivaky ny lalam-piainana.
Joël Andrianomearisoa & Rina Ralay Ranaivo
Jona 2026
